Format malalaka sa format manan-tompo
Mba hahafahana miasa amin' ny fichier iray, dia mila rindrankajy isika hanokafana, hamakiana, hanovana ary hitahirizana ny laza ao anatin' io raki-daza io.
FORMAT MALALAKA - Atao hoe
malalaka (na
mivoha) ny format iray raha toa ka mangarahara ny drafitra fipetrahan' ny laza ao anatin' ny raki-daza, ary/na azon' ny daholobe fantarina ny famaritana izany fandaminana ny laza izany. Amin' ny ankapobeny dia fenitra izay avoakan' ny fanjakana na fikambanana iraisam-pirenena izy ireny, ary ny tanjona dia ny hisian' ny fitsipika tsy maintsy harahina mba ho azo antoka fa ho voavaky sy ho azo ampiasaina amin' ny rindrankajy maro samihafa ny raki-daza. Misy ihany koa anefa ny format malalaka izay ny orinasa namorona azy no nanapa-kevitra ny hizara ny famaritana izany ho an' ny daholobe.
Tsara hotsindriana fa ny format misokatra iray dia mety ho
mangarahara tanteraka ny firafiny (azo vakiana amin' ny alàlan' ny logiciel afaka mamaky teksta tsotra rehetra, toy ny HTML) na manana rafitra
binaire (Tsy voavaky araky ny fomba etsy ambony, kanefa afaka adika sy vakiana tsara amin' ny alàlan' ny fampiasana ny toromarika ho an' ny daholobe izay nozarain' ny mpamorona ilay forma.
FORMAT MANAN-TOMPO - Atao hoe
manan-tompo ny format iray raha tsy nomena ho fantatry ny besinimaro ny famaritana ny rafitra mifehy azy. Izy ireny dia format novolavolain' ny orinasa mba hifehy ny laza vokariny : ny rindrankajy novolavolain' io orinasa io ihany koa no ho afaka hamaky
tsy misy diso sy hamaky
tanteraka ny laza ao anatin' ny raki-daza manana izany format izany. Ny format manan-tompo koa dia azo arovana amin' ny lalàna amin' ny alàlan' ny fametrahana
brevé ka ahafahana mitaky ny handoavan' izay mampiasa izany zon' ny mpamorona.
Fanamarihana momba ny terminolojia ampiasaina: ny ataontsika hoe format manan-tompo eto dia izay lazain' ny hafa hoe format
mihidy. Tsy irinay ny hanosoka hevitra noho ny terminolojia ampiasainay fa hoe izay format rehetra tsy voasokajy ao amin' ilay "manan-tompo" dia ao anatin' ny sokajin' ny format malalaka. Efa voalaza teo aloha fa misy ny format malalaka izay novolavolain' ny orinasa. Ny maha-samihafa ny format malalaka sy ny format manan-tompo dia eo amin' ny fanomezana manontolo na tsia ny famaritana ny drafitry ny format ho an' ny daholobe.
There are no comments on this page. [Add comment]