Most recent edit on 2004-08-18 20:41:36 by DarTar []
Additions:
Deletions:
Unknown action "navigation text="Next: [[mg4 Antony efatra hankafizana ny format malalaka]] | [[mg Up]] | [[mg2 Previous]]""
Oldest known version of this page was edited on 2004-08-03 15:46:56 by DotMG []
Page view:
Unknown action "navigation text="Next: [[mg4 Antony efatra hankafizana ny format malalaka]] | [[mg Up]] | [[mg2 Previous]]""
Antony efatra tsy hampiasana ny format manan-tompo
Raha misy olona iray hikirakira raki-daza
ho azy samirery, na vondron' olona maromaro
nifanaiky mialoha ny amin' ilay raki-daza ho enti-miara-miasa, dia tsy maninona ary tsy misy tsininy loatra ny fampiasana ny format manan-tompo. Ny
fifanakalozana raki-daza kosa anefa dia fanao miseho matetika ary tsy ny olona na vondron' olona misingana irery intsony no voakasika amin' izany, fa izay rehetra mety ho mpampiasa ny raki-daza. Ny
fifanakalozana raki-daza dia mety hitaky famadihana ilay format tany am-piandohana ho amina format vaovao mifanaraka amin' ny fizarana ilay raki-daza. Ny format malalaka, araka izany, dia efa format azo hifanakalozana raki-daza soa aman-tsara : miantoka ny
accessibilité, interoperabilité ary pérennité-ny laza izy, izany hoe ho voavaky ilay raki-daza, azo ampiasaina amin' ny milina rehetra, ary tsy ho sakana tsy hahavakiana azy ny fotoana mety ho lasa.
Etsy andanin' izany, raha mizara raki-daza amin' ny format manan-tompo ianao dia mandray anjara sy mamporisika amin' ny fomba amam-panao tsy mahasoa sasantsasany
1. Mety tsy hahavaky ilay raki-daza ny olona andefasana azy
2. Mety hanaparitaka tsiambaratelo (information confidentielle) ilay raki-daza
3. Manome vahana ny fiparitahan' ny viriosy ianao ary mampitombo ny taha mety hahavoa anao koa
4. Manamafy ny fanjakan-tokana efa misy eo amin' ny sehatry ny informatika