2. Mety hanaparitaka tsiambaratelo (information confidentielle) ilay raki-daza
Ao anatin' ny format manan-tompo dia misy toerana ametrahana information izay tsy hitan' ny daholobe. Ny mpamorona ilay format sy ny mpamorona ny rindrankajy mamaky ilay raki-daza irery ihany, izay mahafantatra ny tetika (algorithme) sy ny fanalahidy hahafahana mamakifango manontolo ilay raki-daza, no afaka mamaky izany information izany.
Mazàna eo am-piraketana ny raki-daza, dia atsofok' ilay rindrankajy ireo informations tsy hitan' ny besinimaro ireo, toy ny anaran' ny mpamorona ilay raki-daza, ny numéro de série an' ilay rindrakajy, ny sokajin' ny mpandrindra milina, ny milina nampiasaina, ny fehin-drakitra nametrahana ilay raki-daza, sns ... Ny sasany amin' ireny information ireny dia mety ho mangarahara be ny fango nanoratana azy, ary tsy ho fantatry ny mpamorona ilay raki-daza izany kanefa azon' ny besinimaro vakiana: ohatra iray malaza indrindra amin' ny voka-dratsy tsy ampoizina noho ny fampiasana format manan-tompo handefasana raki-daza angamba ilay nandefa taratasy tsy voasonia tamin' ny format MSWord, kanjo ny anaran' ny mpanoratra dia hita manontolo tao amin' ny mombamomba ny raki-daza (propriétés).
Azo heverina ny hisian' ny vokany ratsy kokoa rehefa tsy fanosihosena ny zon' ny tsirairay ny amin' ny laza manokana fotsiny no mitranga, fa ohatra hoe tsiambaratelon' ny tafika na ara-barotra no entin' ilay raki-daza. Mahagaga ihany ny mieritreritra hoe anatin' ny raki-daza hifanakalozan' ny ministeran' ny fiarovana ao amin' ny firenena A dia mety hisy ampahany izay orinasa ao amin' ny firenena B ihany no afaka mamaky izany.
Ny fanelezana raki-daza amin' ny format manan-tompo dia midika ho fanelezana fampahalalana izay tsy misy na iza na iza, afa-tsy ny tompon' ny mpamorona ny rindrankajy hamaky izany ihany, no afaka hamaky azy.
There are no comments on this page. [Add comment]