Most recent edit on 2004-09-09 11:33:23 by DarTar [fanovana bebe ihany]
Additions:
Edited on 2004-09-06 07:41:07 by DotMG [fixed quotes]
Additions:
Ny ankamaroan' ny viriosy hita ankehitriny dia taterin' ny raki-daza ifanakalozan' ny mpampiasa informatika. Manararaotra ny fisian' ny kileman' ny rindrankajy na ny lohamilina sasany eo amin' ny lafiny sécurité izy ireny mba hanatanterahany lahatrasa manimba zavatra na mamaky fampahalalana, ary izany dia tsy fantatr' ilay olona manokatra ilay raki-daza akory. Ny mahatonga ny fihanahan' ny viriosy dia satria ny ankabeazan' ny olona dia mampiasa rindrankajy mitovy ary mifanakalo raki-daza amin' ny format an' izay rindrankajy izay, izany hoe format manan-tompo.
Ny ankamaroan' ny viriosy araka izany dia sady raiki-tampisaka amin' ny lohamilina, no amin' ny rindrankajy ihany koa. Ny fialana amin' ny format manan-tompo sy ny rindrankajy iray natokana ho azy matetika dia ampy hiarovana ny solosaina amin' ny sokajina viriosy iray manontolo (ohatra iray lehibe amin' izany ny viriosy entin' ny macro anaty raki-daza manana format MSWord).
Ny fampiasana format malalaka - format tsy miankina amina rindrankajy iray, azo ampiasaina amin' ny plateforme samihafa fa tsy iray fotsiny - dia mampihena ny herin' ny viriosy sy fieliny : mora kokoa mantsy ny mamorona viriosy amin' ny alalan' ny fitadiavana izay lesoka amin' ny rindrankajy be mpampiasa iray sy ny tsy fahalalan' ny ankabeazan' ny mpampiasa izany, noho ny hoe hametraka viriosy ao anatin' ny format mihitsy, izay mety ho sokafan' ny olona amin' ny rindrankajy maro samihafa sy plateforme samihafa.
Deletions:
Noho ny antony efa nohazavaina tetsy ambony, dia maro ny viriosy izay mihanaka amin' ny alàlan' ny fampahalalana (informations) nafango (encodées) anatin' ny raki-daza izay tsy mangarahara tanteraka ho an' ny mpampiasa izany. Ny fanelezana sy fanekena handray tahirin-kevitra amin' ny format manan-tompo izany dia manao anjoria hizara na handray viriosy informatika izay miafina any anatin' ny ampahan' ny fango tsy hay vakiana.
Tsara homarihina fa misy ny milaza fa na ny format malalaka koa aza dia mety hitondra viriosy: tsy marina anefa izany, raha toa ka ny format ampiasaina dia ny format malalaka zato isan-jato. Ny format efa misy tovana (ohatra, HTML misy fango hahafahana mandefa fampiharana hafa na PDF misy macro izay voavakin' ny rindrankajy manan-tompo) no mety hitondra viriosy: tsy format malalaka intsony izy ireny fa efa sarintsariny (formats semi-propriétaires).
Edited on 2004-08-19 19:47:28 by DarTar []
Additions:
Deletions:
Unknown action "navigation text="Next: [[mg33 Renforcer les monopoles de fait qui existent dans le domaine de l'informatique]] | [[mg3 Up]] | [[mg31 Previous]]""
Oldest known version of this page was edited on 2004-08-02 17:12:13 by DotMG []
Page view:
Unknown action "navigation text="Next: [[mg33 Renforcer les monopoles de fait qui existent dans le domaine de l'informatique]] | [[mg3 Up]] | [[mg31 Previous]]""
3. Manome vahana ny fiparitahan' ny viriosy ianao ary mampitombo ny taha mety hahavoa anao koa