openformats.org

main :: sitemap :: login/register
Deutsch Ελληνικά English Español Français Italiano Malagasy 简体中文

Accessibilité, interopérabilité, perennité


Sarotsarotra ho ahy ny nandika ireo teny baiko ireo.
Raha lazaina ambangovangony dia fepetra telo no ahitana ny mahatsara na tsia ny raki-daza, sy ny mahatsara ny fampiasana azy :
Accessibilité : Afaka mamaky sy manokatra ilay raki-daza ny olona hampiasa azy.
interopérabilité : Afaka vakiana sy sokafana amin' ny milina sy rindrankajy rehetra tokony hahavitana izany ilay raki-daza. Izany hoe raha Windows no namoronana ilay raki-daza, dia tsy voatery hoe tsy maintsy ho Windows no hamakiana azy fa tokony ho voavaky foana.
perennité : Tsy sakana tsy hahavakiana na hahasokafana ilay raki-daza ny fotoana mandeha, izany hoe: na efa folo taona aty aoriana aza, tokony ho mbola ho azo sokafana ihany ilay raki-daza. Misy mantsy ny format sasany izay miara-maty amin' ny mpamorona azy ka rehefa taona maro aty aoriana dia tsy misy rindrankajy afaka mamaky an' ilay izy intsony.

There are no comments on this page. [Add comment]

Valid XHTML 1.0 Transitional :: Valid CSS :: Powered by WikkaWiki